Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HCDDED: “Maro ireo very amin’ny demokrasia”

 “Marobe ireo very amin’ny demokraisa: manaotao fahatany ny sasany, manompa olona, manao tsikera tsy araka ny tokony hanaovana azy… Manana ny lalàna fototra ny demokrasia: fanajana ny zo fototra sy iainantsika eto Madagasikra. Eo ny fahazoana miteny sy maneho hevitra, mivory, mivavaka…”, hoy ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), i Pierre Lenoble Navony. Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, omaly izany. Mifandray akaiky izany. Tsy misy ny demokrasia, raha tsy misy ny fanajana ny fanjakana tan-dalàna. Miantoka ny fampandrosoana ny demokrasia.

Nefa tsy tanteraka ny fahalalahana mivory amin’izao fotoana izao noho ny hamehana ara-pahasalamana. ny valanaretina fa tsy hoe fihibohana na fahamehana amin’izao fotsiny, araka ny andraisan’ny sasany azy. “Aoka isika  samy hanaja tsara ny lalàna izay voasoratra”, hoy izy.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.