Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fizarana Vatsy tsinjo: betsaka ny fahadisoan’ny tapakila etsy Andohatapenaka I

Nisavorovoro ny vahoaka ao amin’ny fokontany Andohatapenaka I manoloana ny fizarana ny vatsy sosialim-bahoaka, omaly, araka ny fitarainan’ny solontenan’izy ireo. Teny amin’ny ENS Ampefiloha no nanaovana ny fitsinjarana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ity fokontany ity. Rehefa nomena ny tapakila ahafahan’izy ireo mandray ny fanampiana, gaga ny olona fa diso avokoa ny anarana sy ny laharan’ny kara-panondro fa ny adiresy ihany no marina. Tsy afaka misitraka ny vatsy anefa raha vao tsy mitovy ny anarana ao amin’ny kara-panondro sy ny lisitra eny amin’ny mpizara ary ny tapakila nozaraina isan-trano. Velon-taraina noho izany ireo niharan’ny fahadisoana ary nambaran’izy ireo fa fanahiniana niainga avy ao amin’ny mpiandraikitra ny fokontany izao. Nanana olana tamin’ny mponina tao an-toerana ny mpitantana ny fokontany ary efa noesorina ny sefo fokontany teo aloha ka ny lefiny ihany no nandray ny andraikitra vaovao. Tsy matoky intsony ny vahoaka fa misy zavatra tsy mazava ity fizarana sosialim-bahoaka ity satria maro no tsy nahazo izany vokatry ny fahadisoana. Nandeha nanontany ny tokony hatao teny anivon’ny fokontany izy ireo ary miandry ny ho valin’izany.

Vonjy A.              

Les commentaires sont fermées.