Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiarovam-pirenena: nanao dinikasa ny minisitera

Ho fanamaivanana ny fiantraikan’ny valanaretina covid-19, izay mifanaraka amin’ny drafi-panarenana natolotry ny filoham-pirenena dia nodinihina teny amin’ny fitalean’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry, omaly ny tetikasa mety hahafahana manampy ny vahoaka. Nitarika izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jly Rakotonirina Richard. Nanamafy ity manamboninahitra ity fa taorian’ny fihibohana vokatry ny hamehana ara-pahasalamana dia ity androany (omaly io) ity no fivoriana voalohany niarahan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenana tamin’ireo mpiara-miasa aminy, izay nahitana ny sekretera jeneraly, ny talen’ny kabinetra sy ireo tale isan-tsokajiny. Isan’ny tanjona napetraka sy nodinihina tao anatin’ny tetikasa ny fanakekezana ny vahoaka, ny fametrahana fandriampahalemana maharitra miompana bebe kokoa amin’ny fihariana mankany amin’ny fampandrosoana. Lohalaharana, araka ny napetraky ny fanjakana rahateo, ny fandriampahalemana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.