Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana eny ifotony: tonga ny milina mpamokatra herinaratra eny Tsihombe

 

 Notanterahina tao Andamboly any amin’ ny Distrika Tsihombe, tamin’ity herinandro ity ny lanonana fanolorana ny milina mpamokatra herinaratra lehibe. Manana tanjaka 165 kw sy 265 kw miaraka amin’ ireo jiro sy kojakoja maro ireto fitaovana ireto. Nanolotra izany tany an-toerana ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Ramarolahy Christian, nisolo tena ny filohan’ ny Repoblika. Anisan’ny nanotrona izany koa ny governoran’ ny faritra Androy.

Niavaka kosa anefa ny lahatenin’ny depiote Masy Goulamaly fa tsy mba nahenoana na niresaka momba ireo fitaovana vao azo ireo. Efa saika tsy tonga izy raha nandrasana nandritra ny ora maromaro ary efa tsy anisan’ ireo nandray fitenenana.  Nandray ny anjara fitenenany taorian’izany ny governor, saingy efa lasa nandeha ity solombavambahoaka ity.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.