Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Eto an-toerana, hatrany ivelany; mitory amin’ny gadona maroloko ny Groupe Lydia

Eto an-toerana, hatrany ivelany; mitory amin’ny gadona maroloko ny Groupe Lydia

Taona 2000, nijoro ny Groupe Lydia. Antom-pisiany ny hitory ny Filazantsara eto an-tanindrazana hatrany dilambato amin’ny alalan’ny hira sy mozika ary dihy. Ho fanatanterahana izany, milalao gadonkira maro ny tarika. Ao ny milamina toy ny slow, ny jazz… Misandrahaka amina gadona mihetsika tahaka ny rock sy  reggae ihany koa. Ny avy eto an-toerana toy ny bagasy, ny hiragasy. Taratra io, tamin’ny fampiaraham-peon’i Lydia sy i Bakomanga tamin’ny « Ry mpiray tanindrazana ». Ankoatra ny Malagasy ofisialy, mahafolaka tenim-paritra avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ny Groupe Lydia. Hoentina hanamorana ny fampitan-kafatra raiketin’ireo tononkira avokoa izany, raha ny fanazavany.

Anisan’ny vinanasan’izy 12 mianadahy mandrafitra ny tarika ny fitoriana an-kira goavana hatao eto an-dRenivohitra. Mialoha izany, efa namoaka ny kapila mangirana « Aza mora kivy » mirakitra hira 11 ny tarika. Ampahany amin’ireo hira ao anatiny ny « I really love You », « Il est mort à ma place », « Masina ianao », « Allô tsika lahaby », « Aza mora kivy »… Ny 26 septambra 2019, naneho ny kolontsaina malagasy (hira sy dihy) tany Beijing i Lydia, nandritra ny hetsika foara lehibe notanterahana tany an-toerana.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.