Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Escrime: efa manomboka manoman-tena ny ekipa nasionaly

Efa saika tazana midina an-kianja manao fanazaran-tena avokoa, amin’izao, ireo atleta sy ekipa nasionaly, toy ny volley ball sy ny escrime. Ho an’ny taranja Escrime, efa tazana manoman-tena eny amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano ireo atleta mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ny fanazavana, nandray fanapahan-kevitra ny hamerina tsikelikely ny fanazaran-tena ny federasiona, taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena amin’ny fahafahana manao fanazaran-tena hamerenana tsikelikely ny lentan’ireo atleta. Eo ihany koa ny fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena, izay hatrehina amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Raha ny fandaharam-potoana, isan’andro, amin’ny 11 ora antoandro hatramin’ny 2 ora sy sasany no manao fanazaran-tena, ireo atleta ireo, eny amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano.

Mifanindry an-dalana amin’izany, mitohy ary mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny fiofanana ho an’ny mpanazatra “niveau 1”, eny Ankorondrano. Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, izany ary hifarana amin’ny faha-21 septambra ho avy izao.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.