Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EPP Antsahabe – Fizarana sosialim-bahoaka: maro ireo nitaraina, voailika amin’ny Vatsy tsinjo

EPP Antsahabe – Fizarana sosialim-bahoaka: maro ireo nitaraina, voailika amin’ny Vatsy tsinjo

Notanterahina, omaly talata, teo amin’ny EPP Antsahabe ny fizarana ny sosialim-bahoaka ho an’ireo olona sahirana vokatry ny valanaretina Covid-19. Fokontany maromaro no indray nizarana izany, anisan’ireny ny teo Antsahabe sy Ankorahotra ary Ambohitsiroa. Betsaka ireo olona tsy tafiditra tao anaty lisitra ka nimenomenona. Nasain’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany nisy azy, nanao fitarainana izy ireo. Nisy ireo nanatanteraka izany fa tao kosa ireo nampionon-tena. Ankoatra izay, maro ireo niteny fa tratran’ny fanavakavahana satria na ny fanisana aza, tsy natao azy ireo akory. Tsy nandalovan’ireo mpanao fanadihadiana akory ny tokantranon’izy ireo nefa dia sasa-niandry tao ry zareo. Tsy tapaka olona mihitsy tao an-tranony satria miandry ireo tompon’andraikitra hanao fanisana. Etsy ankilany, tondroin’izy ireo ho misy fijerena tavan’olona sy akamaakama ilay izy, satria saika havan’ireo olona miasa ao amin’ny fokontany ny ankamaroan’ireo nahazo ilay sosialim-bahoaka. Nisy ihany koa ny mbola fijerena lokon’antoko ka voadingana na tsipihina ao anaty lisitra, raha vao mpanohitra, araka ny fitarainana nataon’izy ireo. Nanaitra ny maro koa ny nahita ny namoahan’ny olona teo amin’ny fokontany Antsahabe, ny sarin’ny fiara Mazda iray mameno vary sy baoritra misy menaka sy ronono ary olona mitovy no mitaona izany. Voalaza fa anisan’ireo nibata entana mivoaka avy ao amin’ny EPP Antsahabe hatramin’ny mpamily ilay fiara. Manoloana izany, miantso ny tompon’andraikitra mahefa ireo vahoaka eo amin’ireo fokontany ireo, hanokatra fanadihadiana sy hanasazy faran’izay mafy izay nanao ny tsy mety.

Randria

Les commentaires sont fermées.