Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cote d’Ivoire: voailika i Gbagbo sy Soro

Cote d’Ivoire: voailika i Gbagbo sy Soro

Voailika. Tsy anisan’ireo kandidà ho filoham-pirenena any Cote d’Ivoire ny filoha teo aloha, Laurent Gbagbo  sy ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, i Guillaume Soro. Navoakan’ny Filankevitry ny lalàmpanorenana, omaly, ny lisitr’ireo kandidà. Nankatoavina ny antontan-taratasin’ireo kandidà efatra amin’ireo 44 nikasa ny hofidina. Anisan’ireo nekena ny filatsahan’ny filoha am-perinasa, i Alassane Ouattara, ny filoha teo aloha, i Henri Konan Bédié. Manampy ireo ny Praiminisitra teo aloha, i Pascal Affi N’Guessan ary ny depiote iray.

Nitondra valin-kafatra ireo mpomba an’i Gbagbo ka nilaza fa tahotry ny filoha am-perinasa ny anton’izao fanilihana ny kandidàn’izy ireo izao.

Tsipahin’ireo mpiandany amin’i Soro koa fa efa mihantona sy tsy manan-kery ny fanenjehana ara-pitsarana ny olona tohanan’izy ireo. “Tompon’andraikitra manoloana ny tantara ianareo ao amin’ny Filankevitry ny lalàmpanorenana ary tsy ho afa-bela amin’ny ho firehetan’ny afo…”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.