Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“clinique wheelchair”: Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana 

“clinique wheelchair”: Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana 

Teknisianina miisa dimy avy amin’ny Federasiona malagasy ny handisport no niatrika fiofanana ho mpitsara ho an’ny basikety ambony seza “fauteuil” na ny “clinique Wheelchair”, andiany voalohany, ny faran’ny volana aogositra teo. Efa hoavy kosa ny andiany faharoa amin’ity fiofanana ity, hiarahana amin’ny federasiona malagasy ny basikety. Raha ny fanazavana, tsy mbola fantatra mazava ny daty, raha ny angom-baovao voaray farany dia tokony ho amin’ity volana septambra ity ny hanaovana izany.

Eo amin’ity taranja ity hatrany, nambaran’ny Tale teknika nasionaly fa mbola hisy ny fivoriana hataon’ny mpikambana anivon’ny Federasiona malagasy ny handisport, hanapahana izay fomba hamerenana amin’ny laoniny ny fampandehanan-draharaha sy ny fanenjehana ny fandaharan’asa tokony ho natao kanefa tsy tanteraka noho ny tsimokaretina Coronavirus. Hisy ny tatitra hatao, aorian’io fivoriana io, raha ny fanazavana hatrany ary ezahina ny tsy maintsy hisian’ny hetsika mialoha ny hanakatonana ny taom-pilalaovana 2020.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.