Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama

Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama

Hatairana ny an’ireo mpandalo sy ny mponina teny Anosizato, omaly maraina, manodidina ny tamin’ny 09 ora. Lehilahy tsy salama saina iray nihanika ny andrin-jiorn’ny Jirama teny an-toerana. Araka ny fantatra, mitondra herinaratra mahery vaika eny Anosizato io andrin-jiro io. Efa tonga teny amin’ny faratampony ralehilahy ka niantsoana ny sampana mpamonjy voina. « Vao naharay antso izahay dia nidina teny an-toerana avy hatrany. Efa teny ihany koa ny teo anivon’ny jirama », hoy ny fanazavan’ny lieutenant-colonel Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Voatery notapahana, araka izany, ny herinaratra tamina faritra maro mba hisorohana ny loza. Isan’izany ny teny Ampitatafika, Itaosy, Ambohidrapeto sy ny manodidina. Voakasik’izany koa ny teny amin’ny digue, Andranoro, Ambohibao sy ny manodidina. Tapaka ihany koa ny herinaratra teny 67ha, Isotry, Isoraka sy ny manodidina. « Nananosarotra ny fampidinana ilay olona teny amin’ilay andrin-jiro », hoy ny fanazavana voaray. Manampy trotraka izany koa ny aavon’ilay andrin-jiro. « Antony mahasarobidy ny lanjan’ny fiofanana ataon’ireo mpamonjy voina », hoy hatrany io tompon’andraikitra io. Minitra vitsy taorian’izay, tafidina soa aman-tsara ilay tsy salama saina ary nalefa teny amin’ny hopitaly Befelatanana, sampana « neurologie ». Taorian’izay, tonga namonjy azy teny koa ny fianakaviany. Efa niverina amin’ny laoniny kosa ny famatsiana herinatra teo amin’ireo toerana voatanisa.

Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy sy naratra nandritra ny tranga.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.