Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny Coronavirus: nanolotra fiara enina ny Fondation BOA

Ady amin’ny Coronavirus: nanolotra fiara enina ny Fondation BOA

Nahazo fiara fitondrana marary tsy matahodalana enina avy amin’ny Fondation BOA sy ny Madagascar International Container Terminal Services ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ity herinandro ity ampiasaina iadiana amin’ny valanaretina Coronavirus . Nisolo tena ny fitondram-panjakana nandray ireo fiara ireo teny amin’ny CCI Ivato minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, sady filoha lefitriny CCO, Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nambaran’ny minisitra fa vonona hatrany ny ministera handray sy handamina ireo fanomezana ireo ka tena hisy fiantraikany any amin’ny vahoaka ny fananana azy.

Aparitaka any amin’ireo toerana saro-dalana Ireo fiara ireo. Hanampy betsaka amin’ny fandraisa an-tanana ireo marary ny fitaovana vao azo ary hanome fahasalamana manaja ny maha olona ho an’ny vahoaka. Naneho ny fisaorana ny mpiara-miombon’antoka ny tenany. Mbola mitohy ny ady amin’ny Coronavirus na efa mihena aza ny tranga vaovao voatily. Nanentana ny rehetra hanaja ny fepetra ara-pahasalama hisakana ny fihanaky ny tsimokaretina izy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.