Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Tournoi d’échecs Random Fischer”: norombahin’i Magnus Carslen ny fandresena

“Tournoi d’échecs Random Fischer”: norombahin’i Magnus Carslen ny fandresena

Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ilay lalao “Random Fischer”, natao ny faran’ny herinandro teo. Raha ny valin-dalao, ilay tompondaka eran-tany sady mpilalao mendrika maneran-tany, i Magnus Carslen, ny nahazo ny fandresena, taorian’ny “round” 9. Efa nisy fotoana anefa nihoaran’ireo mpilalao sasany, toa an’i Aronian Levon, ity tompondaka eran-tany ity, izay nahazo isa 6.

Tsiahivina fa ny maitre Rakotomaharo Fy no nanao ny “live” sy nitantara ity lalao nandraisan’ny kalaza maro maneran-tany anjara ity. Nandritra izany, miezaka manazava ny lalaon-tsaina “échecs 960”, nolalaovina tamin’io fotoana io, i Fy sady mamaly ny fanontanian’ireo mpanaraka ny “live”. Nambaran’i Fy fa samy hafa ny “échecs 960” sy ny “échecs classiques”. Amin’ny “échecs 960”, tsy ilaina ny manao fiomanana be fa ny fahaizana mikaroka ny tena ilaina. Misy tombony ara-tsaina, araka izany, ity karazany iray ity, raha hoarina amin’ny “échecs” tsotra, mila famerenana sy fanomanana be.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.