Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Mitohy ny fanampiana avy amin’ireo malala-tanana hiadiana amin’ny valanaretina Covid-19 eto amintsika. Nanolotra fitaovana maromaro ho an’ny prefektoran’Ambatondrazaka ny orinasa japoney, Daiho. Nahitana arovava miisa 3 000 sy “gel désinfectant” maromaro karazana ary savony ireo fanampiana voaray.

Nidina tany an-tampon-tanànan’Ambilobe ny minisitry ny Rano sy ny ekipany namaha ny olana momba ny rano. Paompin-drano 64 tsy nandeha teo aloha no efa mahazo rano sy afaka mamatsy rano madio ho an’ireo olona ao an-tanàna ankehitriny. Apetraka tsara ny fitantanana ny fotodrafitrasana momba ny rano, iarahana amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana hampaharitra ny fananana iombonana.

Les commentaires sont fermées.