Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Samy masina an-taniny

Tsy vitan’ny hoe sasanangy tsy mitovy ka samy manana ny anjarany samy hafa, arakaraky ny vintany ny zaza malagasy eo amin’ny fanabeazana sy fampianarana. Raha tsy mitovy lenta ny fampianarana any amin’ny sekolim-panjakana sy ny any amin’ny sekoly tsy miankina, izay manan-katao na inona na inona vesatr’izany dia miezaka avokoa handefa ny zanany any amin’ny fianarana tsy miankina. Na ny sekolim-panjakana aza dia anjakan’ny fiangarana mivandravandra. Arakaraky ny halavitana amin’ny tanan-dehibe no maha tsizarizary ny fampianarana, na samy efa samy tsy manara-penitra aza ny any amin’ny sekoly eo amin’ny ambaratonga fototra noho ny fitombon’ny isan’ny mpampianatra Fram izay tsy nahazo fanomanana manara-penitra. Nitranga indray anefa ny fitresahana eo anivon’ny tontolo fampianarana nateraky ny tsy fitovian-kevitra manoloana ny fahasahiranana naterak’ilay valan’aretina atrehan’ny firenena. Nanapaka ny fitsanjarana ny taona fampianarana ( kalandrie) manokana ny tompon’andraikitry ny fampianarana katôlika, ary ho fitsinjovana ny mpianatra any amin’ny sekoliny mba tsy ho very taona iray dia nanomana fanadinana mifandanja amin’ny CEPE, BEPC sy Baccalauréat ary ny fidirana any amin’ny kilasy faha 6. Fanadinana moa ireo ampanaovina ireo fa tsy milaza mihitsy hoe diplaoma, na izany aza samy mahatsapa fa tombontsoa manokana ho an’ny mpianatra izany ary ahitan’ny raiamandreny sy ny ny mpianatra fahafahampo. Samy nomena andraikitra handamina ny fomba hanatanterahana izany ny tompon’andraikitra isam-paritra arakaraky ny fisehon’ny toe-draharaha any amin’ny misy azy. Afaka heverina fa midika izany fa ao anatin’ny fanajana ny fepetra apetraky ny fanjakana ho fiarovana amin’ny fihanak’ilay valan’aretina no anaovana an’ireo fanadinana samy hafa ireo. Misy moa faritra noho ny fihibohana dia tsy atao antony mahamaika ahafahana mivoaka ny trano ny famonjena fanadinana. Ao koa anefa ireo faritra izay, satria tsy dia mananotanona firy ilay otrikaretina mbola ahafahan’ny olona mivezivezy toy ny andavan’andro tsotra, dia malalaka ny famoriana mpianatra hisedra fanadinana. Sarotra ny fandaminana toy izany raha ho an’ny mpianatra rehetra tsy ankanavaka na any amin’ny sekolim-panjakana na any amin’ny sekoly tsy miankina ho fanaovana adina na an-tsoratra na am-bava manerana ny nosy momba ny fahazoana diplôma iombonana. Maro loatra anefa ireo raiamandreny sy mpianatra no velona ahiahy noho ny fanapahan-kevitra mbola manjavozavo.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.