Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihariana-Pam: tantsaha 200 tohanana any Androy sy Anôsy

Fihariana-Pam: tantsaha 200 tohanana any Androy sy Anôsy

Mitohy ny fanatanterahana ny paikady hanatanterahana ny velirano napetraky ny filoha Rajoelina. Natao sonia, omaly, ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam) sy ny fandaharanasa Fihariana. Tafiditra ao anatin’izany ny hanohanana ny fikambanana sy ny vondrona tantsaha mpamokatra, tohanan’ny Pam, ahazoan’izy ireo findramam-bola hanatsarana ny fihariany. Hahazo tombontsoa amin’ity tohana ity ny any amin’ny faritra Androy sy Anôsy, samy iasan’ny Pam sy ny Fihariana.

Manampy amin’ny ady amin’ny mosary sy ny fahantrana ny Pam, raha manohana ny tantsaha mpamokatra hitondra fampandrosoana ny faritra kosa ny Fihariana.

Miisa 200 ny tantsaha mpandraharaha mivondrona anaty fikambanana hahazo tombontsoa amin’izao dingana voalohany izao. Hisitraka ny tahan’ny zanabola ambany, ampiharin’ny Fihariana, izy ireo. Tohanana teknika koa izy ireo ankoatra ny findramam-bola. Mampiditra azy ireo hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nilaza Rtoa mpandrindra nasionaly ny Fihariana, Rtoa Zafindrazaka Valérie, fa mampiavaka ny Fihariana ny fanomezan-danja ny maha olona sy ny fiarovana ny orinasa.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.