Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Fiaraha-miasa: tokony hifandanja ny vokatra ho azo

   Fiaraha-miasa: tokony hifandanja ny vokatra ho azo

 Manomboka tsinjo tsikelikely fa mitombo miandalana ireo vahiny mitady fiaraha-miasa amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Anisan’izany ny hira, ny dihy, ny tsidi-bohitra, ny fanaovana sarimihetsika fanadihadiana, sns. Endrika tsara ho an’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny fisian’ireny tetikasa ireny… Saingy, rehefa tomorina akaiky, fantatra sy azo tsapain-tanana ary mivaingana mazava ve ny fiantrainkany eo amin’ilay mpanakanto na ny zavakanto malagasy? Anisan’ny firenena maro tetikasa i Madagasikara raha eo amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Tsy voatery miankina amin’ny fanjakana izy ireny. Ny ankamaroany aza, ilay mpanakanto na ilay fikambanana na ireo sehatra samy hafa no mahita ny fifanarahana sy manatanteraka izany. Ny fanjakana rahateo, efa nilaza fa hitana ny anjara toeran’ny mpanamora amin’ny fanatanterahana ny tahaka izany.

Amin’ny ankapobeny, manantombo kokoa hatrany ny tombontsoa azon’ireo vahiny tompon’ny vola sy ny fitaovana raha oharina amin’ny an’ny Malagasy tompon’ny kanto. Indraindray aza, mahatsiaro ho voambaka ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Mila manova paikady mba tsy hitohizan’izany intsony. Hampianarina ny mpanakanto na ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto hahay momba ny fifampiraharahana. Hampahafantarina azy ireo ihany koa ny lanjan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Fantatry ny vahiny io ka izay no mahatonga azy ireo hanatanteraka tsy tapaka tetikasa eto Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.