Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Escrime-Fiofanana: 14 mianadahy miofana ho mpanazatra “niveau 1”

Escrime-Fiofanana: 14 mianadahy miofana ho mpanazatra “niveau 1”

Miofana ho mpanazatra “niveau 1”, nanomboka ny asabotsy lasa teo, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ireo teknisianina eo anivon’ny taranja escrime. Miisa 14 mianadahy izy ireo ny miatrika izany, mandritra ny 10 andro, izany hoe, haharitra hatramin’ny 21 septambra izao ny fiofanana. Fiaraha-miasa eo amin’ny Komity olympika malagasy sy federasiona iraisam-pirenena ny taranja escrime ary ny federasiona malagasy ny escrime ity fifampizarana ity. Mpampiofana manana traikefa ny manome ny fiofanana, ahitana an-dRamanadraivonona Elinjara Luc, sy ny maitre Faly, samy manampahaizana iraisam-pirenena malagasy.

Ilaina ny fanomezana fampiofanana toy izao eo amin’ity taranja ity satria efa manomboka mivoatra ny escrime eto amintsika, raha ny nambaran’ireo mpiofana. Mbola vitsy rahateo ny mpanazatra eto Madagasikara ho an’ity taranja ity kanefa efa manomboka mitombo ireo atleta miangaly izany. Isan’izany i Jolan izay efa niatrika fiadiana ny tompondaka an’i Afrika. Araka ny fanazavana, mizara roa ny fampiofanana ka misy ny an-tsoratra ary misy kosa ny fampiharana, hidinana mihitsy an-kianja.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.