Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Coup de poing »: tratra ireo roa lahy nilaza fa mpimasy

Nandritra ny hetsika “Opération coup de poing” nataon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSPD Tsiroanomandidy no nahatrarana lehilahy roa nilaza fa mpimasy. Ny alahady teo, tratran’ny polisy teo amin’ny “barrage de sécurité” ao Ambohitsoa, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy, ry zalahy ireto. Nosakanan’ireo polisy nanao sakana izy roa lahy ireto satria nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo. Nandritra ny fisavan’ny polisy, basy vita gasy iray sy odigasy marobe ny tratra tany amin’izy roa lahy. Nilaza izy ireo nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa hoe mpimasy sy mpamboly ny asan’izy roa lahy. Mbola mitohy ny famotorana mahakasika ilay basy sy ny saika hampiasana ireto fitaovam-piadiana ireto. Na eo aza izany, manao ezaka ihany koa ny polisy amin’ny fanaraha-maso ny fepetra rehetra ara-pahasalamana momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 any amin’iny faritra iny. Raha ny antontanisa nampitain’ny polisin’ny CSPD Tsiroanomandidy, miisa 96 ireo nandalo fisavana ka ny telo amin’ireo, nanaovana fanadihadiana manokana. Miisa valo ireo fiara kely nosavaina raha miisa 19 kosa ireo kamiaobe. Taksiborosy miisa 22 sy moto miisa 13 nandalo fisavana (roa amin’ireo ny tsy nanao arolaha ka voasazy avy hatrany). Teo ihany koa ireo olona tsy nandalo fisavana kara-panondro miisa 79 raha mpitondra posiposy miisa 10 nomena fampitandremana.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.