Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CEPE andiany fahatelo: 129 649 ny mpiadina any Toliara sy any Toamasina

129 649 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE andiany fahatelo andraisan’ny mpiandina avy ao amin’ny faritany Toliara sy i Toamasina anjara anio tontolo andro. 544 ny foibem-panadinana handray azy ireo, ahitana efitrano 4 339. “Vonona ny toeram-pandraisana, nandrarahana fanafody mamono tsimok’aretina nefa tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mpiadina”, hoy ny tomponandraikitra.

Ho an’ny any Mahajanga I, nahatratra 71,89% ny taham-pahafahana CEPE ary napetraka amin’ny petadrindrina, omaly, ny lisitr’ireo afaka.

Momba ny fanomanana ny BEPC eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra kosa, nivory, omaly, ireo mpiandraikitra ny foibem-panadinana 31 hanomana ny lamina rehetra ho an’ny 21 septambra ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao. Misy mpiadina tavela any amin’ny faritra nefa miandry ny toromarika avy any amin’ny minisitera ireo mpiandraikitra momba izay. Ny lalana rahateo, efa misokatra ankoatra ny any Diana sy any Sava. Hapetraka eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny laza adina rehefa nivoaka avy eny amin’ny Cnapmad ary tsy azo alaina raha tsy ny andron’ny fanadinana.

Vonjy         

Les commentaires sont fermées.