Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambodivahibe Antsiranana: mitondra fampandrosoana holovain-jafy ny fiarovana ny fari-dranomasina

Ambodivahibe Antsiranana: mitondra fampandrosoana holovain-jafy ny fiarovana ny fari-dranomasina

Mivelona amin’ny fanjonoana, indrindra ny horita, ny mpanjono any Ambodivahibe Antsiranana. Na tsy nanaiky aza tany am-boalohany, resy lahatra ihany izy ireo aty aoriana ny lanjan’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tanteraka sy iainan’ny mponina any an-toerana, ankehitriny, ny fampandrosoana maharitra holovain-jafy.

Miala 30 km any avaratra atsinanan’Antsiranana, mirefy 39 794 ha, ny helodranon’Ambodivahibe, ao anatin’ny distrika Antsiranana II, faritra Diana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Conservation international sy ny mpikaroka malagasy, anisan’ny tsara indrindra maneran-tany ny helodranon’Ambodivahibe. Misy hatrany amin’ny 200 metatra ny halalin’ny ranomasina, mahatonga azy tsy mba tratry ny fiakaran’ny maripana, mpahazo ny ambany ranomasina ankapobeny maneran-tany amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao. Miavaka ny zavamaniry, ny hazandrano, ny akorandriaka, sns. Koa, nahatsapa ny manampahaizana fa mila ferana ny tsindry ka tokony hatao Fari-dranomasina arovana, na “Aire protégé marine” (APM) ny any Ambodivahibe.

Natahotra sao ho lasan’ny vahiny ny tany

Raha ny tatitra hita ao anatin’ny fikarohana nataon’i Jean-Xavier Saint-Guily, milaza ny mpikaroka vahiny iray, i Depraz, fa miteraka korontana matetika ny fametrahana APM, indrindra eo amin’ny fanjakana sy ny mponina any ifotony. Antony, matahotra ny mponina fa ho very ny tombontsoany azony raha arovana ny fari-dranomasina sy ny tany, fototry ny fivelomany. Anisan’ny nahatonga ny mponina hiahiahy ny fisian’ny vahiny mandraharaha amin’ny lafiny fizahantany any amin’ny morontsirak’Ampondrafeta, akaikin’Ampondrahazo sy Ambolombozokely. Nahatsiaro tena ho voalikilika ny mponina satria tsy fantatra mazava ny tena andraikiny, ny zony, ny tombontsoany raha sokajina ho « Paysage harmonieux V ou VI » ny any Ambodivahibe.

Tafakatra 20 taonina ny horita azo

 

Anisan’ny nanohitra ny hametrahana ny APM i Kinkou Justin, mpanjono horita, mpitarika fikambanan’ny mpanjono any Ambavarano. Noheveriny fa fomba iray hakan’ny vahiny ny tany ity tetikasa ity.

Nanova paikady ny CI ka nezahina ny mponina ihany no hahatsapa ny zava-misy ary nofantarina ny hetahetany. Niaiky izy ireo fa nihena ny karazan-trondro azo sady kely lanja. Zara raha mahazo horita iray kilao isan’andro raha 20 kilao tany aloha ary voatery mandeha lavitra rehefa miandriaka. Fantatry ny mponina fa potika ny tontolo iainana an-tanety, toy ny ala any Ampio, ny Montagne des Français, misy ny loharano mamatsy ny tanànan’Antsiranana, ny ala Ambohitrantsingy, sns. Potehin’ny mpanao saribao ny ala. Mihotsaka ny sahandriaka ka lasa manentsina ny halalin’ny ranomasina ny antsanga sy ny fasika. Eo koa ireo mpanjono mampiasa fitaovana tsy ara-dalàna, toy ny ragiragy (lay moustiquaire), sy ireo tsy manana karatra ara-dalàna.

Niresaka ny samy mpanjono

Nentin’ny CI tany an-toerana i Kinkou Justin sy ny namany roa hafa. Nifanakalo hevitra amin’ny mpanjono toa azy, nilaza amin’izy ireo fa tena ilaina ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina satria ho lovainjafy. Rehefa tonga tany Ambavarano Ambodivahibe, lasa mpanentana i Kinkou Justin, na nahazo fandrahonana ho faty aza. Nanaraka azy ireo koa ny mponina any Ampondrahazo sy ny hafa. Tafapetraka ny taona 2010 ny APM Ambodivahibe, voasokajy ho Reserve special, mizara ho fari-dranomasina sy ny an-tanety.

Nakatona nandritra ny telo volana (desambra-febroary) ny fotoam-panjonoana, raha iray volana ihany tany am-boalohany. Nahavariana ny fiovana. Nahatratra 609 kilao ny horita azo tamin’ny andro voalohany nanokafana ny fanjonoana ny taona 2010. Tafakatra 20, 589 taonina, 10 taona taty aoriana, ny taona 2020. Nitombo koa ny karazan-trondro, toy ny trondro vaventy Napoleon. Nihatsara ny fahasalaman’ny hazandrano sy ny akorandriaka (récif corallien).

Tombofeno Roby

Vehivavy mitodika amin’ny fampandrosoana

Hany vehivavy manjono izay asan’ny lehilahy Rtoa Tombofeno Roby, 51 taona, monina any Ambavarano Mahavanona. Nambarany fa vao 6 taona izy dia efa nentin’ny rainy nanjono, nampahafantarina ity asa ity raha tiany hatao any aoriana. Tiany tokoa izany ka lasa nandeha irery amin’izay izy rehefa lehibe. Miainga amin’ny 6 maraina ary miverina amin’ny 3 tolakandro. Mahazo hazandrano 10 hatramin’ny 25 kilao isan’andro. Amidiny 3 000 Ar ny kilaon’ny hazandrano azony.

Narary izy ny taona 2016 fa tsy araka ny vatany intsony ny jono. Tapa-kevitra ny hitsahatra taty aoriana ary niova fihariana, hisehatra amin’ny fizahantany. Nanangana trano fandraisam-bahiny “bungalow” maromaro izy, namboly anana sy legioma izay tsy nataon’ny mponina any an-toerana hatramin’izay. Nambarany fa tsy hanjono intsony izy fa aleo ho an’ny tanora. Izay ilay fampandrosoana lovain-jafy. “Hividy ny vokatra azon’ny mpanjono indray aho, ho an’ny mpanjifako amin’ny fizahantany”, hoy izy.

Nijoro ny fikambanam-behivavy mitodika any amin’ny fampandrosoana. Nampiofanin’ny CI izy ireo mikasika ny lafiny fizahantany, ny fandraisam-bahiny, ny fahandroana sakafo, ny fitantanana trano fisakafoana. Nentina tany Nosy Be ny mpikambana vitsivitsy naka traikefa sy nijery ifotony mikasika ny fizahantany ara-tontolo iainana sy ny fandraisam-bahiny, ny fitarihana mpizahatany, sns.

“Toekarena manga”

Nivoatra ny fomba fiveloman’ny mpanjono satria tsy afaka miandriaka mandritra ny telo volana fikatonan’ny jono. Niompy akoho amam-borona mandritra ny fikatonan’ny jono, saingy tsy nety amin’izy ireo izany ka niova niompy bengy (osy) sy omby, satria silamo ny ankamaroan’ny mponina. Niroborobo izany ka nahazo vola izy ireo, afaka nividy moto, bisikileta, vata fampangatsiahana, takelaka mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro,  fivarotana entana madinika, sns. Nanangana trano vato na biriky, afaka miatrika ny loza voajanahary. Nahazo rano fisotro ny any Ivovona. Lasa namboly ala honko, ho fonenan’ny makamba sy ny drakaka. Miditra amin’ny atao hoe “toekarena manga” ny mponina, fihariana mifandray amin’ny ranomasina ary mitondra fampandrosoana.

Miandahy miambavy miambina

Miisa fito ny tanàna any Ambodivahibe nametraka ny Dina, nametra ny fotoam-panonjoana ary niitatra tanàna 13 hafa tany amin’ny tapany atsimon’Ambodivahibe taty aoriana satria resy lahatra ihany koa. Nampiofanin’ny CI ny mponina amin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny ranomasina. Alain’izy ireo mivantana ny antontam-baovao siantifika ary alefa hohalalinin’ny teknisianina avy eo. Nanome sambokely ny CI sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), hanaraha-maso ny fari-dranomasina, ka miandahy sy miambavy mihitsy izy ireo amin’ny fiambenana andro sy alina.

Nanome trano fampangatsiahana ny fikambanan’ny mpanjono ny Conservation international. Antony, hitahirizana ny hazandrano, mba tsy hampifilafilain’ny mpanangom-bokatra intsony ka hividy mora ny horita sy ny hazandrano hafa.

Kinkou Justin

“Manohy manjono ny zanako sy ny zafiko”

Taratra (-): Inona ny tena naharesy lahatra anao?

Kinkou Justin (*): Nanohitra mihitsy aho tany am-boalohany satria tsy nazava amiko ny tena antony hametrahana ny faritra arovana an-dranomasina. Fantatray fa tena nihena ny hazandrano azonay nefa izahay, tsy nahatsapa ny antony satria tsy ampy ny fari-pahalalanay.  Resy lahatra anefa aho taty afara, rehefa nentin’ny Conservation international tany Andavandaoka Toliara. Azo tsapain-tanana ny fahasamihafana rehefa noferana ny fe-potoana tsy azo anjonoana.

-Manao inona ianao amin’izao fotoana izao?

*Tsy miandriaka intsony aho fa ny zanako sy ny zafiko no manohy mandeha manjono. Miompy bengy (osy) sy omby ny foto-pivelomako ankehitriny. Manampy izany, nividy fototra lavanila maromaro aho, ary mikolokolo sy mamboly izany.

-Inona ny hafatrao?

*Manentana ny ray aman-dreny hampiana-janaka fa mampandroso ny fananana fahalalana sy fahaizana, ahalalana zavatra maro. Entaniko ny mponina manodidina sy ny Malagasy jiaby hahatsapa fa tena ilaina ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy an-tanety. Aoka tsy hampiasa fitaovana tsy manara-penitra toy ny ragiragy fa tsy ahafahana mitsinjo ny hoavin’ny hazandrano izay velon-tenantsika.

Nanatontosa: Njaka Andriantefiarinesy

 

 

Les commentaires sont fermées.