Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tankina ilay raim-pianakaviana: maty sempotry ny enton-tsaribao ny vadiny sy ny zanany dimy

Tankina ilay raim-pianakaviana: maty sempotry ny enton-tsaribao ny vadiny sy ny zanany dimy

Ireo vady aman-janany tsy nisy aina intsony no novantanin’ity raim-pianakaviana iray. Maty sempotry ny enton-tsaribao izy mianakavy ireo. Tao Ambohimiandrisoa, kaominina Tarahonenana Sahanivotry, faritra Vakinankaratra, ny zoma teo, no nitrangan’izany.

Loza tsy roa aman-tany. Renim-pianakaviana iray sy ny zanany dimy mianadahy niara-maty, ny zoma lasa teo. Hagagana ny an’ilay rangahy vadiny raha vao niverina avy niasa niditra ny tranony ao Ambohimiandrisoa, fokontany Maromandraisoa, kaominina Tsarahonenana, Isahanivotry Antsirabe. Tsy niaina intsony ireo vady aman-janany ary ny vata-mangatsiaka natory teo am-pandriana ny novantaniny. Vokany, nampandre haingana ny sefo fokontany ao an-toerana izy ary nilaza izany koa amin’ireo zandary. « Maty vokatry ny fofom-tsaribao izy enina mianaka ireo. Tao anatin’ny torimasony nt namoizany ny ainy », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray ao an-toerana. Fantatra fa tsy tao an-tranony ilay raim-pianakaviana tamin’io fotoana io fa mbola namita iraka tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra. « Mpivarotra arina fandrehitra ireo ankohonana ka mety ho nanatitra entan’olona rangahy », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Voalaza fa toeram-pitobian’ireo saribao ny ao ambany rihan’ilay trano fonenana. Ao ambony kosa ny efitra fatorian’ireo mpianakavikely. Araka izany, nitarika ny fahasemporan’ilay renim-pianakaviana 35 taona niaraka amin’ireo zanany dimy mianadahy ny afon-tsaribao tsy maty tao ambany rihana. Raha ny tatitra voaray amin’ireo mpitsabo ao amin’ny CSB II ao an-toerana, vao dimy volana monja ny kely indrindra, manaraka azy ny iray hafa roa taona. Ny zokiny vavikely telo taona sy enina taona ary ny matoan’ireo mpivady, 10 taona monja.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.