Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analangidro: tratra ireo jiolahy mpanafika

Analangidro: tratra ireo jiolahy mpanafika

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Besalampy ireo jiolahy miisa enina voarohirohy amina raharaha fanafihana mitam-piadiaina. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny 29 aogositra hariva tokony ho tamin’ny 7 ora, nitrangana fanafihana mitam-piadiana teo amin’ny lalana Analangidro. Mpivarotra avy nivaro-bokatra ny notafihin’ireo jiolahy ka nosakanany teo amin’io toerana io. Nambanan’ireo jiolahy basy ireo mpivarotra ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 35 tapitrisa Ar sy ny telefaonina finday maromaro mitentim-bidy 15 tapitrisa Ar niaraka amin’ny lamba maromaro. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo mpanafika rehefa avy nandroba ireto mpivarotra ireto. Afaka niantso polisy ihany anefa ireo niharan’ny fanafihana ka fotoana fohy taorian’izay, nidina tany an-toerana ny polisy ka tsy lasa lavitra dia tratra ireo jiolahy. Tratra tany amin’izy ireo ny fitaovana nampiasain’izy ireo rehefa manafika, toy ny basy vita gasy roa, ny famaky roa, ny antsy lavalela ary ny odigasy maromaro.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.