Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lokanga sy valiha: Iza iry ambony iry ?

Miredona ny feo avy aty ambany : « Iza iry am­bony iry ? »
Toy ny ako ny fane­non’ny valiny «  izaho iha­ny ity ! »
– Maninona eny in­dry ? – Faly aho ! Tena faly aho !
Izany ve mbola mila ifanaovana akamantatra ihany ?
Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ankehitriny, toy ny ankamaroan’ ny firenena manerantany, ary raha ny eto an-toerana no jerena dia toa arakaraky ny fitombon’ny fahasahiranana eo amin’ ny lafiny ara toe-karena, na ho an’ny famokarana izany na momba ny firefarefan’ny fahefamividin’ ny mponina izany, sy ny fiitatry ny hotakotaka eo anivon’ny fiarahamonina vao mainka mihamafana ny adilahy pôlitika. Tsy ny fikarohana vahaolana no iraisan-kina mba ha­namaivanana ny fahoriana mianjady amin’ny va­hoaka, fa fifandranitana tsy misy farany no tazana eo amin’ny sehatry ny raharaha-pirenena. Efa toy ireny hoe efa tafiditra anatin’ny ady mihitsy ny mpifaninana mifampirafy, mifanao fahavalo mi­hitsy eo amin’ny sehatra pôlitika.
Ny mpanohitra manao tambabe moa mba hampifandanjalanja ny hery ma­noloana ny maro an’isa, karazandrazan’ny efa naha­vita fandrindrana ny tetika iatrehana ny ady. Arakara­ky ny fandroson’ny fotoana no ahatazanana sy ahenoana mazava ny rindrankira sy ny fitaitaikan’ireo fi­taovam-piadiana noma­nin’izy ireo.
Araka izay efa voalaza, tsy ity sehatra ity no atao hitsarana ny hevitra na ny tranga izay resahana eto. Voafetran’izay fifehezan-tena izay ny fahalalahana sy fahafahana mamelatra ny hevitry ny tena na hanazava mihitsy aza ny anton’ ny safidy natao.
Anio ny tanjona sy ny fomba entin’ny mpanohitra heveriny ho mety ahatongavana eo amin’izany tanjona izany.

Lokaloka akon’ny velirano tamin’ny fifidianana
Toy inona ny lanjan’ireo velirano nataon’ny mpifaninana teo amin’ny fandresen-dahatra ny mponina? Mbola tsy misy ny fomba fanaovana kajikajy momba izany. Ny hany fantatra kosa anefa dia ny fandresen’ireo nanome toky tamin’ ny alalan’ny velirano. Ao ireo mpanakiana milaza ny tsy fetezan’ny fanaovana velirano, noho ny fiheve­ran’izy ireo fa fiozonana izany. Izany hoe mamofopofona fanompoan-tsampy. Aoka kely kosa ity fa­namelohana tsy misy fanavahana ity. Izay rehetra fomba nahazatra fahagola dia lazaina ho fahotana avokoa.

Ireo fivavahana miankina sy mampianatra ny fitiavana sy ny fifankatiavana indray ve no hampiseho fahasarotam-piaro ka tsy hampisondrotra ny toe-tsaina eo amin’ny fahaizana mandefitra ! Tsy izay koa akory ny làlana nijoroan’ny mpanohitra. Efa nobahanan’ ny mpandresy anefa ny ankamaroan’ny sehatr’ireo soatoavina, ka mila fomba vaovao ahafahana miverina amin’izy ireo mba tsy hihomehezan’ny olona ny tena amin’ny fomba fanesoana hoe « boloky matsilo ».

Mirarakompana arak’ izay ny fitanisana karazana tsikera rehetra izao, izay voalaza ho nataon’ny fitondrana ankehitriny. Mikasi­ka ireo soatoavina rehetra nanaovan’ny mpifaninana velirano izany, saingy nam­piana zava-baovao izay notsipihana manokana. Ny mpanohitra amin’izao fo­toana izao, hoy izy ireto,
no lohalaharana hatramin’ izay na teo amin’ny fanajana ny fepetra, na teo amin’ ny fitakiana ny fampiharana sy ny fiarovana ireo sehatra manana ny hasiny manokana. Io fa mizara roa ny mpihaino an’izany zava- baovao izany. Tena vao tokoa moa. Ny loza dia misy milaza fa ny toerana fotsiny no nifanankalozana fa toa ireo heloka niampangan’ny mpanao fihetsehana tamin’ny 2009 ihany no ven­tesin’ny fanoherana raha nivadika ny rasa. Tsy tonga­tonga ho azy izany, fa mi­zotra mora amin’ny tetika tsara dinika. Mitingintin­­gina ery ambony ery fa vato nasondrotry ny tany hono.
Iray no mpanolo-tsaina, ny rehetra ambiny midina an-tsehatra
Fahita matetika, maro ireo manodidina ho mpanolo-tsaina ny olona iray mpitarika izay tompom-pahefana ho an’ny fanatanterahana tetika iray. Araky ny filazan’ny depiote iray avy ao amin’ny fanoherana, izay voafidy tany Alaotra, raha vao tsy ampy ny fandaminana, manararaotra ireo maramara saina, izay tsy mitady hafa ivelan’ny toerana ka ny « mpisolelaka » no lasa betsaka noho ireo tena manan-kevitra mahitsy.

Nafototra arak’izay ny tetika nentin’ny mpanohitra hifanandrinana amin’ ny fitondrana mahefa. Ireo mpitolona rehetra afaka haneho fitsikerana mahery vaika noho ny fahaizana miteny sy noho ny fahafantarany akaiky ny fahasa­hiranan’ny mponina dia nanao rodobe niakatra an-tsehatra nandray fitenenana ampahibemaso rehefa nifampizara ny raha tsikafonin’ny tsirairay. Gaga anefa ny mpitazana raha tsy nahita an’Ingahy Marc Ravalomanana.

Vetivety ihany dia takatry ny maro ny anton’izany. Tahitahiana ingahirainy, tsy avela hiditra loatra sao latsaka lalina ao afovoan’ny herisetra fa mbola adidy hafa no heverin’izy ireo fa miandry azy. Rehefa tokana ny olona manapaka hevitra eo amin’ny fametrahana sori-dàlana, angam­ba tsy mpanolo-tsaina intsony ny filazana azy fa mpanome baiko. Tsy resaka miverina ve, anisan’ny tsy fetezan-javatra efa no­kianina izay. Tsy izay ve moa no atao hoe fahefan’ olon-tokana ? Mitsidika indray ve ny fanao toy izany ?

Tsy tandrin’andriamatoa Stanislas Zafilahy, olom- pirenena manana ny maha izy azy, andry ao amin’ny antoko Tim, fa izy no nanome ny valin’izay fanontaniana izay. Ivelan’ny fitsikerana ny fitondrana ataon’ny olona maventy tsirairay ao amin’ny fanoherana ho andraikitra, ny rehetra samy manao ho voninahitra ho an’ny tenany ny fandokafana fahaizana manokana iray voalazany ho mam­piavaka an’i Marc Ravalomanana.

Araky ny fiheveran’i Stanislas Zafilahy dia sady manana maso matsilo sy saina kinga tsy ifanoharana i Ravalomanana, ka vetivety foana dia tazany ny lesoka rehefa mitsidika hono izy ka mitazana ny zava-bita. Mitovy ny filazan’ny rehetra. Noho ny lemim-panahiny tsy mba mivatratravatra ingahirainy, fa fanontaniana no apetrany amim-pahatoniana isarihany ny fandinihan’ny tsirairay sy ny rehetra : « inona moa no antony nanaovan’ IALAHY ISANY an’ity raha­raha ity toy izao ? »
Voaray, Ramose ! Tati­tra tandapa no nanambara izany.

Léon Razafitrimo

Les commentaires sont fermées.