Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Opération de ratissage” – Betongolo: mpifoka rongony valolahy tratra tao amin’ny “Ghetto”

“Opération de ratissage” – Betongolo: mpifoka rongony valolahy tratra tao amin’ny “Ghetto”

Sesilany ny fitarainana ataon’ny mponina eny Betongolo momba ny fisian’ny trano iray atao hoe “ghetto”, araka ny fiantson’ireo olona sasany azy. Nambaran’ireo mponina eny an-toerana fa fivarotana sy fifohana rongony io trano io ka izay no mahavelon-taraina azy ireo. Manoloana izany indrindra, nisy ny atao hoe “opération de ratissage” nataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, afakomaly antoandro. Niainga avy amin’ny loharanom-baovao iray no nahafantaran’ny polisy momba ny fisian’ity trano fifohana sy fivarotana zava-mahadomelina. Tovolahy maromaro no indray niditra tao amin’ilay trano notondroin’ireo olona teo an-tanàna. Nanaraka avy aoriana koa ny polisy ka tovolahy miisa valo no hita tao ka mpivarotra rongony ny iray amin’izy ireo. Mbola teo am-pifohana rongony kosa ny fito hafa, tamin’io fotoana io. Nandritra ny fisavana ny trano nataon’ny polisy no nahatrarana rongony miisa 19 fonosana. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahalalana azy ireo fa tsy mbola ampy taona ny iray amin’izy ireo, mpianatra kosa ny roa ary efa miasa kosa ny efatra ambiny. Niaiky ny zavatra nataony avy izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.