Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika fampandrian-tany: sarona ny basy kalachnikov sy bala ary « grenade »

Hetsika fampandrian-tany: sarona ny basy kalachnikov sy bala ary « grenade »

Azo nandritra ny hetsika fampandrian-tany ataon’ny zandary ao Ambatomainty-Ikalamavony, ny talata lasa teo ny basy kalachnikov iray, niaraka tamin’ny «grenade» sy bala miisa enina. Mbola mitohy kosa anefa ny fanaovana hazalambo ireo dahalo sy mpiara-dia amin’ilay dahalo raindahiny efa lavo, antsoina hoe Ingahivao,  ao amin’ny faritra Andoharano-Amboasary-Ambatomainty. « Noho izany indrindra no nanirahin’ny olon-tsotra iray natao iraka hanatitra ireo fitaovam-piadiana mbola eo am-pelatanany (…) » hoy ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Tsapa tamin’izany fa mihorohoro tanteraka ireo jiolahy sy dahalo any amin’iny faritra iny.

Mihamafy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka. Vokany, mitohy ny hazalambo sy ny famotorana.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.