Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nisandoka ho mpiasan’ny Jirama: olona roa naiditra am-ponja

Nisy mpanjifa nitaraina teny amin’ny masoivohon’ny Jirama 67 ha, ny volana aogositra teo. Napetraka ny vela-pandrika ka voasambotra ny 3 sy ny 4 septambra teo ny olona roa. Nisandoka ho mpiasan’ny Jirama izy ireo, nahavita nampiditra tsy ara-dalàna jiro sady namindra kaontera. Niakatra fampanoavana ny 7 septambra ireto olona roa ireto ary notazonina vonjimaika eny Antanimora. Hiakatra fitsarana ny 6 oktobra ho avy izao ny raharaha. Manentana ny mpanjifa ny Jirama mba tsy handoa mihitsy vola afa-tsy eny amin’ny masoivoho natokana ho amin’izany irery ihany. Ny dingana rehetra amin’ny fampidirana jiro na rano eny amin’ny masoivohon’ny Jirama ihany no ara-dalàna sy manan-kery.

Dimy lahy mpangalatra vy fanao andrin-jiro

Tratra ny talata tamin’ny 2 ora maraina teo, tao amin’ny toerana fitahirizana entana an’ny Jirama any Tanambao Verrerie, Toamasina, ny dimy lahy, mpangalatra vy fanaovana andrin-jiro. Mpiasa antselika ao amin’ny Jirama ny iray amin’ireo ary mpiandry tanàna ao ihany ny efa-dahy. Eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 24 taona izy dimy lahy ireto.

Ny alatsinainy tamin’ny 11 ora alina ny fotoana nanaovan’izy ireo ny halatra. Efa tsikaritry ny zandary ary narahi-maso ary tamin’ny 2 ora maraina no nosamborina. Efa eo am-panaovana fanadihadiana izy ireo amin’izao fotoana izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.