Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-BAL: hatao ny 5-20 desambra any Rwanda

Basikety-BAL: hatao ny 5-20 desambra any Rwanda

Nivoaka ny daty vaovao hanatanterahana ny fifaninanana Basket Africa League, andiany voalohany. Taorian’ny fivoriana feno fandalinana nataon’ny mpikarakara ny fifaninanana, ny 5 hatramin’ny 20 desambra izao ny hanaovana izany. Tapaka ihany koa fa toerana iray ihany, dia i Rwanda ny handray ny lalao fa tsy ireo Renivohitra enina, izay efa nolazaina tapa-bolana lasa izay. Noraisiny io fanapahan-kevitra io, noho ny fitsinjovana ny fahasalaman’ireo rehetra hisehatra sy handray anjara amin’ity fifaninanana ity, indrindra amin’izao tsy mbola fahafehezan’ny ankamaroan’ny firenena maneran-tany ny tsimokaretina Coronavirus izao, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny BAL, i Amadou Gallo Fall. Raha tsiahivina, ekipa 12 no voatsonga hiatrika ny lalao ka isan’ny mandray anjara amin’izany ny ekipa malagasy GNBC (Gendarmerie Nationale de Basket Ball Club). Ity ekipa malagasy ity, nanambara ny fahavononany hatrany am-piandohana ary samy nilaza na ny mpanazatra na ny mpilalao fa mbola vonona na dia teo aza ny fikorontanana nateraky ny tsimokaretina Coronavirus. Hiverina tsy ho ela ny fampivondronana ireo mpilalao, hoy hatrany ny mpanazatra.

 

Mi.Raz

 

 

Ireo ekipa 12 tafakatra

GSP Alzeria, Petro de Luanda Angola, Forces Armées de Police Basket Ball Kameronina, Zamalek Egypta, GNBC Madagasikara, As Police Mali, As Salé Maraoka, Ferroviario de Maputo Mozambika, Rivers Hoopers Nizeria, Patriots Rwanda, As Douanes Senegaly, L’Union Sportive Monastirienne Tonizia.

Les commentaires sont fermées.