Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Tahotra iraisana fihetsika samy hafa

Fampitana vaovao mifanila ao amin’ny gazety iray izay samy mitatitra mombamomban’ny fihanak’ity aretin-dratsy atao hoe covid 19, izay efa mapihorohoro ny eran-tany. Tazana avy amin’ireo vaovao ireo fa arakaraky ny olona mety ifanipaka ny fomba atao manoloana an’io aretina io. Ao ireo olona fantatra fa mitondra an’ilay otrikaretina covid 19 no nitsoaka, eo andanin’izay ireo mponina izay velona ahiahy sao tratran’ilay virus miparitaka eny amin’ny manodidina ny fonenany ka misisika ho tilina ahafantarany an’izay marina mba hitsaboina azy raha sanatria ka… Io aretina io ihany no samy atahoran’ny rehetra amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra ny tena antony nitarika an’ireo olona efa miisa 111 any Toamasina itsoaka, ary tsy misy afaka hitsara an’izany fihetsika izany, na araky ny fiheveran’ny maro aza fa rehefa tratran’ilay virus dia tsy afaka andositra intsony an’ilay aretina covid 19 vokariny, ny fisehon’ny aretina no maro karazany : ao ireo tsy andairany firy, ny hafa mety andamaka mihitsy nohon’ny herin’ny aretina sady sempotra no tena malemilemy mila tsy ahazaka tena, ny loza koa tsy ferana ao tokoa mantsy ireo mamoy aina mihitsy. Moa ve ny tsy finoana fa tena mitrotro mangina an’lay aretina, sa ny tsy fahatokisana ny fomba fitsaboina azy eny amin’ny hopitaly, sa zavatra hafa no manahirana ny sainy toy ny hoe tsy fahampina vola nefa ahiany hisy fitakiana an’izany ? Tsy misy mahafantatra ny ao anatin’ny lohan’ny sasany indrindra rehefa mameno tanàna ny tsaho isan-karazany, toy ilay feo tsy marina nisy nanaparitaka milaza hoe tsy ampy sakafo ny marary ary raha misy aza dia hanina efa masiso, atsanga tsy aman’orana daholo ny ankamaron’ny resaka miely, na mety ho misy ihany aza ny orana, io moa tonga amin’ilay fiteny hoe « ny valala misy fa ny mpitantara no manararaotra anitatra ». Eny Alakamisy-Fenoarivo kosa izay nahitana fitrangan’ilay aretina namely olona vitsivitsy izay nifanerasera tamin’ny be sy ny maro vao fantatra talohan’ny fahafantarana azy hoe efa mitaiza an’ilay otrikaretina dia raiki-tahotra avokoa ny mponina ka maro ireo mitaky fitilina, ankizy mpianatra 171 tao amin’ny sekoly iray izao no samy nandalo fitilina daholo. Raha ny fanirina moa dia aman’alina aman-hetsy ary mihoatran’izany no tokony anaovana fitilina nefa tsy araky ny enti-manana anatanterahana ani’zany, maso-tsokina ka izay kely anana no ahiratra. Sedran’izay voatery samy anaja amin’ny fomba entitra an’ireo fepetra fefy fiarovana ny tsy fihitaran’ilay otrikaretina ny tsirairay, toy ny fanaovana aro-vava sy ny fifehezan-tena tsy ivezivezy ivelan’ny trano mihoatran’ny tsy maintsy atao nohon’ny fanefana adidy.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.