Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tsy misy olona, ankehitriny, ny tanànan’Antsonjomalinika-Isoanala Betroka, taorian’ny tifitra nahazo ilay mpampianatra sy ny lefitry ny sefo fokontany ao an-toerana. « Nitsoaka avokoa ny iray tanàna, tsy misy olona eto na iray aza », hoy ny fanazavan’ny zandarimarian’i Betroka. Tsy manakana ny fikarohana ireo nahavanon-doza anefa izany. Efa fantatra ny mombamomba ireo jiolahy roa namono nitifitra ireo lehilahy roa, ny alahady teo. Voalaza koa fa efa mpamono olona ireo nahavanon-doza.

 

Voasambotry ny zandary avy ao Malaimbandy ny olona miisa sivy voarohirohy tamin’ny vono olona narahina fakana takalon’aina ny alahady hifoha alatsinainy teo tao Tsinjorano. Tratra tamin’izany ilay namono olona niaraka tamin’ny basy nampiasainy. Tratra tamin’ny vela-pandriky ny zandary tao Malaimbandy koa ny olona miisa roa naniraka ilay fakana an-keriny afakomaly. Votsotra koa ny takalon’aina miisa roa.

 

Les commentaires sont fermées.