Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Basikety-Afrika: Niverina nilalao indray ao amin’ny klioba nisy azy teo aloha, ao amin’ny Klioba Lugano Tigers any Suisse, ilay mpilalao basikety teratany senegaley, i Jules Aw. Mpilalao sangany eto Afrika ary isan’ny mpampidi-baolina betsaka indrindra. Nanamarika azy tamin’ny taona 2018, ny nahazoany ny “mention honorable” tamin’ilay fifaninanana Eurobasket 2018. Mbola anatin’ny heriny tanteraka i Jules Aw, amin’izao ary tsy mbola manana eritreritra ny hijanona tsy hilalao intsony aloha hatreto. Mahafaly azy ary nanaovany fety mihitsy izao fiverenany ao amin’ny Lugano Tigers izao.

Fiofanana “Bras de fer”: Miompana bebekokoa amin’ny fanomezana fiofanana hampitain-davitra ihany koa, amin’izao, ny eo anivon’ny Federasiona afrikanina, taranja “Bras de fer”. Ny herinandro lasa teo, nisy ny fiofanana ho an’ireo federasiona mpikambana ao amin’ny AFA ( Armwrestling Federation of Africa), nomen’ny mpitsara matihanina eo anivon’ny federasiona Afrikanina, i Nasr Youssef. Malagasy roa ny nandray anjara, nahitana ny Tale teknika Nasionaly, Randriamampianina Abavola sy ny filohan’ny federasiona ny Bodybulding,  i Vernier Georgi.

 

Nangonon’i Mi.Raz 

 

Les commentaires sont fermées.