Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpampianatra sy lefitry ny : sefo fokontany maty voatifitra

Mpampianatra sy lefitry ny : sefo fokontany maty voatifitra

Tsy misy olona intsony ny ao Antsonjomalinika-Isoanala Betroka, taorian’ny tifitra nahazo ilay mpampianatra sy ny lefitry ny fokontany ao an-toerana. « Nitsoaka avokoa ny iray tanàna, tsy misy olona eto na iray aza », hoy ny zandary ao Betroka. Tsy manakana ny fikarohana ireo nahavanon-doza anefa izany. Efa fantatra ny momba ireo jiolahy roa namono nitifitra ireo lehilahy roa, ny alahady teo. Voalaza koa fa efa mpamono olona ireo nahavanon-doza.

Tsiahivina fa rotiky ny balan’ireo jiolahy roa lahy ny mpampianatra iray sy ny tompon’andraikitry ny fokontany raha avy namonjy fety teny Sakoamasy, ny alahady hariva teo. Niara-namonjy fodiana ny lehilahy ary nisy namany iray hafa nanatitra azy ireo. Teo amina toerana mangina sy maizina anefa nisy lehilahy roa mitam-basy nanakana azy ireo. Vokany, tafaporitsaka tamin’izany ilay mpanatitra sady nampandre ny fokonolona sy ny zandary. Rotiky ny balan’ireo jiolahy kosa ilay mpanabe sy ny tompon’andraikitry ny fokontany ary mbola voaroba koa.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.