Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indostria: nitombo 7,5% ny taona 2019

Miroborobo ny seha-pihariana indostria. Mampiavaka azy ny harena fanampiny aterany satria mampiasa olona maro ka mitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena. Araka ny tatitra navoakan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), nitombo 7,5% izany ny taona 2019 raha oharina ny taona 2018. Mitentina 3 666,6 miliara Ar ny harena fanampiny na « valeur ajoutée » (VA) naterany ny taona 2019 raha 3 411,5 miliara Ar ny 2018. Nitombo 16,2% kosa io VA ny taona 2018 io raha oharina ny taona 2017, nahatratra 3 155,5 miliara Ar.

Fitrandrahana vaventy harena an-kibon’ny tany

Voalohany amin’ity sehatra faharoa ity ny indostria amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Nitondra 1 575,2 miliara Ar ny taona 2019, manome ny 43%-n’ny VA manontolo ao amin’ny sehatra faharoa. Faharoa ny indostria amin’ny fanodinana sy ny famokarana sakafo, ny zavapisotro ary ny sigara, manome 23%, mitentina 860,10 miliara Ar. Fahatelo ny sehatry ny famokarana herinaratra, rano ary entona, mitentina 297,3 miliara Ar, mahatratra 8%. Manaraka (6%), ny famokarana lamba, ny fanodinana hazo, ny famokarana taratasy, sns. Kely indrindra (1%) kosa ny famokarana milina sy fitaovana elektrika.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Les commentaires sont fermées.