Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Eran-tany

Niakatra 7,2 % sahady ny varotra ivelany, ny vokatra  naondran’ny firenena sinoa, ny volana jolay lasa teo, araka ny tarehimarika navoakan’ny fadintseranana any an-toerana. Fitaovana fampiasa amina fitsaboana, fiarovana ara-pahasalamana no tena nitombo be ny komandy tonga any Sina, na ry zareo Amerikanina aza ao anatin’izany manao komandy be izany. Nilaza ny mpahay toekarena sinoa fa « nahatsara zavatra ihany ny Covid-19 eo amin’ny lafiny toekarena”. Efa  manomboka tafarina izao ny toekarena any aminy.

Mety ho faranan’ny Covid-19 ny tantaran’ny gazety an-tsoratra maneran-tany. New York Times, ohatra, anisan’ny gazety an-tsoratra lehibe indrindra sambany hatramin’ny nisiany nampidi-bola be ho azy nandritra ny telo volana faharoa tamin’ity taona ity ny vaovao ampitaina amina tambajotra (en ligne) no ho ny an-taratasy. Nampiakatra ny nomerika 100 % ny krizy vokatry ny valanaretina fa nanamaivana ny varotra sy ny dokambarotra. Any Brezila, Mexique, Angletera, … maro ireo  gazety an-tsoratra miova mampita vaovao amina tambajotra.

 

 

Les commentaires sont fermées.