Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary ao Ambohijanaka, hita roa andro taorian’ny vaky trano nisesy tao Ambohijanaka, ny 28 jolay lasa teo, ireo ampahana entana voaroba. Hita tamin’izany ny fahitalavitra « écran plat », ny « poste wifi”, ny kiraro. Tsiahivina fa tokantrano telo ny voaroban’ireo tovolahy manodidina ny 15 taona miisa valo tsy nisy nisaron-tava tao Soavinandriana Ambohijanaka. Nirefotra ny basy ny alin’ny fanafihana ary vehivavy iray voaolan’ireo olon-dratsy. Hatreto kosa, mbola tsy misy voasambotra ireo jiolahy. Mbola mitohy ny fanadihadiana.

Les commentaires sont fermées.