Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Matsiatra Ambony: mangataka fanampiana ny mpisehatra fanatanjahantena

Manomboka mikaikaika ny tontolon’ny fanatanjahantena manerana ny Nosy, noho ny hamehana ara-pahasalamana, ka tsy ahafahana mihetsika manao ny asa andavanandro mifandraika amin’ny lafiny fanatanjahantena. Voakasika amin’izany avokoa ny sehatra rehetra fanatanjahantena (klioba, seksiona, atleta, ligy, sns,…). Efa mampiseho izany fahasahiranany sy fangatahany fanampiana izany avokoa ireo rehetra ireo. Ho an’ny faritra Matsiatra Ambony, tonga nandom-baravarana ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ny governoran’ny faritra ireo mpisehatra fanatanjahantena any an-toerana, ahitana ny solontenan’ny klioba, ny ligy ary ireo mpanao fanatanjahantena, nangataka fanampiana sahaza azy ireo. Nambaran’izy ireo fa na heverina fa ho tsy misy dikany loatra aza ny mpisehatra fanatnjahantena, maro ireo mifofotra sy mivelona amin’izany eto amintsika ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana marsa teo no nihidy tanteraka ny tontolon’ny fanatanjahantena ary mbola tsy antenaina ny hisokafany anatin’ny fotoana fohy. Izany indrindra ny antony angatahan’ny mpisehatra fanatanjahantena fanampiana sy hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.