Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana teknika: hiverina hiasa ireo ECD nefa tsy mbola naharay karama

Efa miverina miasa noho ny fanomanana ireo fanadinam-panjakana hotontosaina amin’ity taona ity ireo mpiasa ECD sy “vacataire” eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana momba ny asa eo anivon’ny sekoly eto amin’ny faritra Analamanga, araka ny fanambarany. Hatramin’izao anefa, tsy mbola nisitraka ny karamany ny mpiasa manodidina ny 200 eo ho eo, nanomboka ny volana oktobra 2019 ka hatramin’izao fotoana izao. « Mangataka ny hanefana azy iray manontolo fa mahatsapa tena mijaly izahay, indrindra ao anatin’ny  hamehana ara-pahasalamana », hoy ny solontenan’ny mpiasa.

Hisorohana ny fiverimberenan’ny olana isan-taona, mangataka ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana raikitra izy ireo. Mahatsapa tena ho voarirarira ireo mpiasa momba ny valin’ny fangatahana ary efa nanomboka ny volana janoary no ho mankaty, tsy misy zavatra mazava. Voalaza fa miandry lalàna nasiana fanitsiana ho an’ny tetibolam-panjakana 2020 ny fanefana ny karama. Rehefa lany ny LFR, nambara indray fa miandry vola mirotsaka vao azo efaina ny vola. Hatramin’izao, ny sonian’ny minisitra sisa voalaza fa tsy ampy amin’ny antontan-taratasy ka very hevitra ireo mpiasa tsy mbola nandray karama 10 volana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.