Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kotrana-Lion Force Gym: niova eny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary

Kotrana-Lion Force Gym: niova eny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary

Araka ny  fantatra, efa manomboka miditra amin’ny fananganana ny fototry ny gradin ny eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Vokatr’izany, efa niala teny an-toerana avokoa ireo rehetra nampiasa ny ao ambany gradin, isan’izany ny toeram-pikotranana Lion Force Gym. Raha ny loharanom-baovao, efa niova eny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary ny toerana hikotranana ho an’ny Lion Force Gym. Tsiahivina, efa niitatra hatramin’ny 5 ora hariva ny fe-potoana hahafahana manatanteraka ny asa andavanandro, mitohy mandrapahariva, manaraka izany ihany koa, ny ora fikotranana, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Toy ny mahazatra, misy karazany maro ny kotrana, ny kick boxing, ny Fitness, ny cardio,  ny “remise en forme”, ny “musculation” ary ny Zumba.

Efa betsaka ireo toeram-pikotranana, nanomboka nanokatra ny varavarany, taorian’ny fanambarana nataon’ny filoha Rajoelina, ny alahady teo. Na eo aza izany, mitohy ary miha hentitra hatrany ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ao amin’ny efitrano fikotranana, hahitana fanasana tanana, manao arovava avokoa ny rehetra ary manaja ny elanelana iray metatra.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.