Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Ligue des champions d’Europe»: miandrandra ny TVM hampita ireo lalao ny Malagasy

Hitodika any Portugal avokoa ny mason’izao tontolo izao, indrindra ny mpankafy ny taranja baolina kitra, manomboka rahampitso alarobia 12 ka hatramin’ny asabotsy 15 aogositra, eo amin’ny fiatrehana ireo lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions». Anisan’ireo manaraka akaiky izany koa ny eto Madagasikara na tsy misy mpilalao malagasy aza manatevina ireo ekipa mikatroka amin’izany.

Miandrandra fatratra ny handefasan’ny fahitalavi-pirenena (TVM) ireo lalao rehetra amin’izany ny mpankafy, amin’ity. Mangataka ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina,  izay manome lanja manokana ny fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra ireo mpankafy ity taranja ankamamian’ny Malagasy loatra ity, hanome toromarika hampitana izany mivantana mba hifaliana ao anatin’izao fitohizan’ny fihibohana izao.

Tsy ny ankamaroan’ireo mpijery baolina malagasy mantsy no manana fahefana ka hahatakatra “canal sat”.

Efa niarahana nahita fa ny baolina kitra no hany nampiray sy nampitambatra ny Malagasy, tamin’ny alalan’ireny zava-bitan’ny Barea ireny. Amin’ity indray mitoraka ity, ny “Ligue des champions” indray no mba hany hiarahana mihanoka sy mifaly hanadinoan’ny rehetra ny vesatry ny coronavirus, na dia fotoana fohy ihany aza.

Tsiahivina fa hisantatra ny lalao voalohany ny Atalanta sy ny Paris St Germain.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.