Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ao anatin’ny “Herinandron’ny kabary”: omen-danja ny fampahafantarana ny isam-paritany

Ao anatin’ny “Herinandron’ny kabary”: omen-danja ny fampahafantarana ny isam-paritany

Andro faharoa amin’ny fanamarihana ny “Herinandron’ny kabary” anio. Hahazo lanja lehibe ny fampahafantarana ireo faritany misy eo anivon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ho an’ny anio tontolo andro, hampahafantatra ny momba azy ny faritany Fimpima Toamasina sy Norvezy ary Antsiranana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny lalao ahazoana valisoa isan-karazany.

Hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva kosa ny tafatafa sy resadresaka miampy kalokalo sy kanto marobe mifamatotra amin’ny fanajana ny hasin’ny kolontsaina malagasy. Manmboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 9 ora alina kosa ny seho kanto isam-paritany hanehoana izay hakanton’ny kolontsaina malagasy izay. Fotoana hanomezana ihany koa ny valin’ny lalao notontosaina ny tontolo andro.

Marihina fa tanterahina amin’ny alalan’ny “zoom” sy ny “facebook” ny fankalazana ny “Herinandron’ny kabary” 2020, noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fepetra miaraka aminy. Na izany aza, hetsika iraisam-pirenena izy ity ka azon’ny rehetra atao ny manaraka izany amin’ny alalan’ireo tambajotran-tserasera roa ireo.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.