Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-ligin’Analamanga: tsy ho tontosa amin’ity volana ity ny fifidianana

Lomano-ligin’Analamanga: tsy ho tontosa amin’ity volana ity ny fifidianana

Miditra amin’ny volana aogositra isika izao, fotoana nifanomezan’ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, lomano, hanatanterahana ny fifidianana hitantana indray ny ligy ho amin’ny efa-taona manaraka. Araka ny fe-potoana nomen’ny minisitera ihany koa, maromaro ireo federasiona sy ligy tokony hanao fifidianana amin’ity taona ity noho ny fahataperan’ny fotoana itantanan’ireo mpitantana ankehitriny. Noho ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus eto amintsika, tsy ho tontosa amin’ity volana aogositra ity ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, lomano. Mbola tsy fantatra izay fotoana hanaovana izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha, raha ny fanazavana nentin’ny tompondraikitry ny ligy. Tsiahivina hatrany fa tsy ho isan’ireo kandidà hofidina, amin’ity, ny filoha am-perinasa, ramatoa Tojohanitra.

Tsy ny hetsika fanatanjahantena ihany, araka izany, no mitarazoka amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao fa eo ihany koa ny lafiny fitantanana. Raha ny fanehoan-levitry ny mpisehatra fanatanjahantena sasany, tsy tokony hisy ny olana amin’ny fanatanterahana fifidianana satria azo atao tsara ny mametra ireo olona manatanteraka ny fifidianana tsy hihoatra ny olona 50.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.