Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

taxi-be : mangataka anampiana ny mpitatitra

taxi-be  : mangataka anampiana ny mpitatitra

Tsy mahazo miasa ny fitaterana taxi-be eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, hatramin’izao. Hatreto, tsy nisy ny fitakian’izy ireo hiverenana hiasa, saingy mahatsiaro ho sahirana kosa izy ireo tao anatin’izay efa-bolana tsy niasa izay, raha nisy fotoana kely niasana ihany teo aloha teo. Mano­loana izany, mangataka fa­nampiana amin’ny fanjakana ireto mpitatitra ireto satria tsy manana fidiram-bola ha­melomana ny ankohonany intsony.
Tsiahivina fa voarara, tsy mahazo miasa koa ny fitaterana nasionaly sy ny faritra miditra eto Analamanga sy Atsinanana ary Analanjirofo. Ho tapitra amin’ity herinandro ity ny 15 andro nametrahana ny fepetra fihibohana ka ho fantatra ny fepetra vaovao manaraka omen’ny fanjakana, amin’ny zoma na asabo­tsy ho avy izao ary hohamafisin’ny praiminisitra na ny filoham-pirenena amin’ny alahady 9 aogositra ho avy izao indray.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.