Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saika hamaky trano… : maty main’ny herinaratra ilay jiolahy

Saika hamaky trano… : maty main’ny herinaratra ilay jiolahy

Hitan’ny fokonolona, omaly maraina, nitsirara teo amin’ny bozaka, akaikina tatatra ny fatina lehilahy iray 29 taona tao amin’ny fokontany Ambalanomby kaominina Mo­rondava. Nahazo antso mahakasika ny tranga ny polisy ao an-toerana, omaly, tamin’ny 07 ora latsaka fahefany maraina. Nidina teny an-toerana ny fokonolona sy ny BMH ary ny manam-pahefana nijery ny zava-nisy. Tsikaritra tamin’izany ny vata-mangatsiakan-dralehilahy, tsy nanao kapa. Fantatra tamin’izany, saika hamaky ilay trano teo an-toerana izy, ny alin’ny alatsinainy teo ka nihanika fefy hazo. Naharay ny taribin’ny herinaratra ny tanany, ny toerana rahateo mandomando, izy koa tsy nanao kapa. Vokany, main’ny herinaratra ny tenany ka maty tsy tra-drano, nitsirara tamin’ny tany, ambanin’ilay fefy. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, tonga tao amin’ny biraon’ny polisy ny lehilahy iray hafa. Ity farany, izay nilaza fa rahalahin’ilay niharam-boina ary mipetraka ao amin’ny fokontany Namahoro. Tsy nisy ny fisamborana natao. Taorian’izay, noentina teny an-tranon’ilay lehilahy ny vata-mangatsiakany.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.