Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitombo 50% ny marary manatona toeram-pitsaboana tsy miankina

Nitombo 50% ny isan’ny marary tonga mizaha fahasalamana eny amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina raha mitaha amin’ny zava-misy nialoha ny nisian’ny Coro­navirus teto amintsika, araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray. Sery, kohaka, gripa sy fanaviana no antony hanatonan’ny olona ny tobim-pahasalamana ary ny olon-dehibe no maro an’isa. Mahazo vahana ny gripa amin’izao fotoana mampidina ny maripana izao ka tokony hitandrina ny rehetra, indrindra ireo manana aretina mitaiza amin’ny taovam-pisefoana.
Raha misy olona ahina mampiseho soritraretina Co­ro­navirus, asaina manao fitiliana PCR izy ireo ary atomboka avy hatrany ny fitsaboana fa tsy miandry ny valiny izay mety ho 15 andro aty aoriana mihitsy. Mandray ny marary rehetra tonga ny mpitsabo fa manaja tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana ary mampiasa EPI hiarovan-tena na mampitombo ny vola mivoaka aza izany. Ho fisorohana ho an’ny olona tsy mbola voan’ny sery sy ny gripa, tsara ny mihinana ny sakafo ara-pahasalamana ary miezaka matory ora 8 isaky ny alina. Zava-dehibe koa ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra napetraky ny fanjakana hitandroana ny tsy hahazoana ny tsimokaretina samihafa ankoatra ny Covid-19.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.