Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifaninanana : nankasitrahan’ny mpitsara ny hotelin-jazan’ny Nutrizaza

Fifaninanana : nankasitrahan’ny mpitsara ny hotelin-jazan’ny Nutrizaza

21 ny orinasa madinika sy salantsalany nandray anjara tamin’ny famaranana ho an’ny fifaninanana Global SUN Pitch competition no­karakarain’ny ny SUN Busi­ness Network taty Afrika sy Azia. Nampahafantarin’ireo mpandray anjara ny tetikasa vitany, manome vokatra ma­natsara ny fanjarian-tsakafo ary nisafidian’ny mpitsara sy ny mpamatsy vola. No­ton­tosaina ny faran’ny volana teo ny famaranana natao ta­min’ny alalan’ny hetsika mampiasa ny tambajotra sosialy. Orinasa 21 tamin’ny 500 mpifaninana avy amin’ny firenena 24 no niatrika izany manoloana ny mpitsara efatra. Sambany nandray anjara ny orinasa malagasy Nutrizaza ary tafiakatra tamin’ny dingan’ny famaranana. Nahazo ny fankasitrahan’ny mpitsara ny tetikasa hotelin-jaza misahana fampisakafoana zaza amin’ny koba aina notovozin-tsoa, araka ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka ny Sun Business Network, i Thierry Nohasia­ri­velo. Niahy ny fifaninanana ny Gain sy ny Pam, Cargill et Royal DSM, nanohana koa ny Agrea Ande, Bop Inno­vation center et food industry Asia, izay samy nanome fa­nomezana samihafa ho an’ny orinasa 21 tafita tamin’ny famaranana.
Tanjon’ny fifaninanana ny hanome lanja ny orinasa mifototra amin’ny fanatsarana ny sakafo mahavelona ary azon’ny daholobe jifaina amin’ny vidiny mirary. Baby Grubz avy any Nizeria no nibata ny loka voalohany, prix de mentorat du BoP ary notolorana 20 000 dolara.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.