Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanjifana : manohana ny “Vita malagasy” ny CCIA

Anisan’ny politika tohanan’ny Antenimieran’ny va­rotra sy ny indostria (CCIA) hanarenana ny toekarena ny hanomezan-danja ny «Vita malagasy». Fomba iray ha­nomezana aina ny fandraharahana eto an-toerana izany, hamelomana ny indostria sy ny mpanao asa tanana malagasy. Ahitana ny «Vita ma­lagasy» amina sehatra maro : ny fambolena sy fiompiana, ny fanaovan-trano sy asa vaventy, ireo zavatra fam­piasa andavanandro (PPN), akan­jo, sns. Betsaka ny Ma­lagasy misehatra amin’ireo, mitazona orinasa madinika sy salantsalany, mampiasa olona tsy latsaky ny 150 000.
«Vita malagasy», omen’ny CCIA toerana eo amin’ny tsenam-barotra ny fampahafantarana izany sy ny fandresen-dahatra ny mpanjifa. Tanjona ny hampiroboroboana ny tsena ato anatiny sy amin’ireo Nosy manodidina. Ny hampirisihana ny mpanjifa hanjifa ny “Vita malagasy”, antoka iray fiarovana ny tsena ato anatiny, hisintonana ny fampidirana ny vola vahiny, indrindra tsy hampisondrotra ny vidim-piainana rehefa resy lahatra hanjifa ny “Vita malagasy” ny mpanjifa.
Mbola betsaka ny tsy ampy ny eto an-toerana fa ezahina ny hampiroboroboana izany ao anatin’izao ha­mehana ara-pahasalamana izao.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.