Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EPS BEPC : mihazakazaka no sady manao arovava ireo mpiadina

Manatanteraka adina ara-panatanjahantena amin’izao fo­to­ana izao, ny mpianatra hanala fanadinana BEPC any Toa­ma­si­na. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, tsy maintsy manao arovava ireo mpiadina mandra-pahavita ny adina. Mpi­se­hatra sy tompon’andraikitra ambony ara-panatanjahantena sy ara-pahasalamana no efa na­neho ny heviny, mahakasika ity tranga ity. Maro koa ireo ray aman-dreniny no efa mitaraina sy miahiahy amin’ny fahasalaman-janany. Manoloana ny fanahiana ny mety hitrangan’ny loza tsy ampoizina, izay efa mitranga any ivelany, toy ny fahafatesana ankizy nanao arovava teo am-pihazakazahana, sa­my mangataka ny hanajanonana ny fanaovana ity adina ara-panatanjahantena ity avokoa izy ireo.
Tetsy andaniny, tsy nijery fotsiny izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy Fa­na­tanjahantena fa nandray ny andraikitra tandrify azy, na dia ny Men aza no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena. Ra­ha ny fantatra, nifampiresaka tamin’ny eo anivon’ny Men ireo Sekretera jeneraly sy ny talen’ny kabinetra avy ao amin’ny MJS, handinihana sy hamoahana soso-kevitra mahakasika izany.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.