Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

DRJS-Andron’ny tanora : hisy fifaninanana manao sary ho an’ny tanora

DRJS-Andron’ny tanora : hisy fifaninanana manao sary ho an’ny tanora

Ho fankalazana ny Andron’ ny tanora, nifampidinika tamin’ny minisiteran’ny Tanora sy fa­na­tanjahantena, ny eo anivon’ny DRJS manerana ny Nosy. Ta­pa­ka, araka izany, hisy ny fifaninanana fanaovana sary ho an’ny Tanora, hotanterahina amin’ny fa­ha-12 aogositra izao. Nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra fa hatao amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra izany noho ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena. Ho an’ny DRJS Itasy manokana, ny faha-13 ny volana aogositra ny farafandraisana ny sarin’ny mpandray anjara ka izay mahazo “j’aime” betsaka indrindra ao amin’ny tambajotran-tserasera fesiboky dia hahazo loka tsy am­poizina. Natokana indrindra ho an’ny tanora 15 hatramin’ny 30 taona ity fifaninanana ity, ra­ha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Misy ny lohahevitra ka amin’izao fihanaky ny Co­vid­19 izao, nosafidina ny hoe: “tanora mananjo, mandray an­draikitra hiady amin’ny valanaretina Covid19”. Io no angalan’ ireo tanora ny aingam-panahy amin’ny fanaovana ilay sary.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.