Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny valanaretina : nahazo fitaovam-pitiliana avy amin’ny Star ny eny Ambatolampy

Ady amin’ny valanaretina : nahazo fitaovam-pitiliana avy amin’ny Star ny eny Ambatolampy

Taorian’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra, nitondra fanampiana ho an’ ny kaominina Ambato­lampy ihany koa ny Star. Nanolotra fitaovam-pitiliana TDR ny orinasa, ho tohin’ny asa so­sialy efa natombok’izy ireo tany an-toerana, hatramin’ny taona 2014. Nanom­boka tamin’io ny fotoana nisian’ny ozinin’ny Star tany Ambato­lam­py ka mandray ny andraikiny hatrany ny Star, amin’izao hamehana izao, na dia eo aza ny fanakatonana mandritra ny fotoana voafetra izany.
Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny fanomezana tamin’ny fomba ofisialy ireto fitaovana ireto, avy amin’ny delegasiona notarihin-dRako­toarivelo Andrianaivo­jaona Lala, talen’ny ozinina Star Ambatolampy, ary no­raisin-drakotomalala Mika, ben’ny Tanàna sy ny ekipany. “Iraisa­na ny ady amin’ny coronavirus ka rariny raha mifantoka any ny tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta”, hoy ny nambaran’ny ben’ny Tanàna. “Mendrika tolorana ny fisaorana ny Star, amin’ny fijerena manokana ny kaominina Ambato­lampy. Hampiasaina araka ny filan’ny mponina ireo fitaovana ireo”, hoy kosa ny ben’ny Tanàna.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.