Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vono olona mahatsiravina: olona fito  naiditra am-ponja vonjimaika

 

 Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antalaha, afakomaly, avokoa ireo olona fito voarohirohy amin’ny resaka vono olona mahatsiravina mateti-pitranga tao Andapa tao anatin’ny roa volana. « Vehivavy latsaky ny 30 taona avokoa no lasibatr’ireo olon-dratsy ireo ary mitovy ny fomba famonoany azy », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Andapa. Kendain’ireo olon-dratsy ireo lasibatra ary tsatohiny zava-maranitra avy eo. « Tsy misy ny fanolanana ataon’ireo mpanao ratsy ary tsy fantatra ny antony anaovany izany », hoy ny fanohizany ny fanazavany. Voasambotra tamin’ny faramparan’ny herinandro teo ireo sasany voarohirohy amin’ny asa ratsy. Tamin’ny angom-baovao kosa ny nahatrarana ny namany sasany, olona fito, nahitana lehilahy dimy sy vehivavy roa. Tamin’ny fanadihadiana ireo voarohirohy, tsy nisy niaiky ny helony izy ireo. « Misy anefa ny vavolombelona maromaro manamarina ny zava-bitan’ireo olona ireo », hoy ny loharanom-baovao iray. Fantatra fa misy mpivady ireo voasambotra, misy mpirahalahy ihany koa ary mpitondra Bajaj ny lehilahy efatra.  Tompon-tany ao Andapa ny enina amin’ireo vosambotra raha mpiavy kosa ny iray. Manodidina ny 30 taona avokoa izy fito. Handrasana ny tohin’ny raharaha.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.