Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vehivavy tsy salama saina: hita faty nihantona tamin’ny tady

Vehivavy tsy salama saina: hita faty nihantona tamin’ny tady

 Renim-pianakaviana 28 taona iray tsy salama saina no hita faty nihantona tamin’ny tady, afakomaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora sy 30 minitra. Tranga izay hitan’ny mpaka kitay tao anaty alan’Antamponatsalotra, fokontany Antolojanahary kaominina Mahavelona-Ankazobe. Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao iray, efa tamin’ny asabotsy teo no nandao ny trano fonenany ao Ankazobe ravehivavy. Taorian’ny nahitan’ny fokonolona ny vata-mangatsiakany, nampandre ny zandary ny sefo fokontany ao Ambodivato ka nidina teny an-toerana avy hatrany. Namonjy izany koa ny manam-pahefana samihafa sy ny mpitsabo. Tsikaritra fa tsy nisy ratra ny vatany ary voalaza fa tsy salama saina izy. Mbola hita tsy lavitra azy sahabo ho 15 m teo koa ny fitafiany. « Mety mbola nipetrapetraka izy mialohan’ny tranga. Ary sahabo ho 30 minitra talohan’ny nahatongavanay ny nanaovany ny famonoan-tena », hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa tsy nisy nahafantatra azy ny fokonolona ka nanaovana antso avo tamin’ny onjampeo ny tranga. Vokany, tonga tao an-toerana, omaly maraina, ny fianakaviana ka nitondra ny vata-mangatsiakany. Fantatra koa fa monina ao amin’ny distrikan’Ankazobe ravehivavy. Namela vady sy zaza mianadahy telo sy fito taona ny maty. Mitohy ny famotorana.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.